Kam'strano

Kam'strano Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Kam'strano, Building Materials, lot 147 FM Morondava Antehiroka, Antananarivo.

kam'strano dia camionnette manampy amin'ny fanaterana sy fivarotana matériaux de construction: fasika, gravillon, vatoboda, biriky, moellon, caillasse...

👉Faritra iasàna:
Ambotrimanjaka, Ambohidratrimo, Ambohibao, Ivato, Ambohijanahary, Talatamaty,...

24/10/2025

🪨🏡 ASTUCE FANORENANA KELY 🏡🪨

Fantatrao ve fa tsy ho an’ny beton ihany no azo ampiasana gravillon?
Ireto misy hevitra tsotra hanampy anao hanatsara ny tranonao:
✅ Azo atao lalantsara manify mankany amin’ny tokotany 🌿
✅ Azo apetraka ho décoration manodidina ny voninkazo 💐
✅ Azo atao fanoherana fotaka rehefa fotoam-pahavaratra ☔

📢 Raha mila GRAVILLON ampy fatra, ary ao anatin’ny faritra iasanay ianao dia
➡️ AZA MISALASALA MIANTSO anay:
📞034 12 111 96

Izahay ato amin'ny Kams’Trano dia vonona hanampy anao amin’ny fitaovana fanorenana tsara sy azo antoka 🙌

❤️ Manaraha ny pejy Kams’Trano mba hahazoana astuce hafa sy torohevitra mahasoa amin’ny fanorenana!

🌟 "Tantara" – kilalao malagasy nentim-paharazana 🌟Fahafinaretana ho an’ny ankizy vavy kely ny milalao tantara 😍. 👉 mampi...
26/08/2025

🌟 "Tantara" – kilalao malagasy nentim-paharazana 🌟
Fahafinaretana ho an’ny ankizy vavy kely ny milalao tantara 😍.
👉 mampiasa vatokely kely (gravillon) kapohina sy ampitenenana izy ireo. 🎶👧✨

➡️ Mety ho tsaroanareo koa ve izany? 🤔
Any aminareo ve mbola misy ankizy milalao tantara amin’izao fotoana izao?

💡 Fantatrao ve? Fa ireny gravillon ilaina amin’ny fanamboaran-trano sy fanatsarana ny tokotany ireny Ilay vatotely fanaon'ny ankizy tantara ? 🏠💪.
👉 Raha mila gravillon ianao, dia afaka mi-livré izahay 🚛 Raha eo amin’ny faritra iasanay no anaterana izany.
📞 034 12 111 96

📢 Zarao amin’ny fianakaviana sy namana mba tsaroany koa ity kilalao nentim-paharazana ity 🙌.
🔔 Aza adinoina ny manaraka ny pejy Kams’Trano mba hahazoana torohevitra sy tolotra ilaina ho an’ny fanamboaran-trano.

🌿🏡 ASTUCE KELY ZARIDAINA 🏡🌿Tsy voatery ho lafo be ny manamboatra zaridaina tsara tarehy 😍. Ny biriky dia azo ampiasaina ...
20/08/2025

🌿🏡 ASTUCE KELY ZARIDAINA 🏡🌿

Tsy voatery ho lafo be ny manamboatra zaridaina tsara tarehy 😍.
Ny biriky dia azo ampiasaina amin’ny fomba tsotra sy maharitra hanatsarana ny tokotany:
✅ Afaka atao bordure manodidina ny voninkazo 💐
✅ Afaka atao lalantsara kely ho an’ny zaridaina 🚶‍♂️

👉 Rehefa manamboatra amin’ny biriky isika dia mahazo vokatra madio sy maharitra nefa tsy mandany vola be.

📢 Raha mila BIRIKY tsara kalitao, ampy isa marina ianao, ka ao anatin’ny faritra iasanay ➡️ AZA MISALASALA MIANTSO anay fa vonona hatrany izahay hanampy anao 🙌.
📞034 12 111 96

❤️ Aza adino koa ny manaraka ny pejy Kams’Trano mba hahazoana astuce sy toro-hevitra hafa amin’ny fanorenana sy ny fanatsarana ny trano!

Rehefa mano***a trano isika dia tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy ny kalitaon’ny biriky. 💯 Raha ratsy ny biriky ampia...
18/08/2025

Rehefa mano***a trano isika dia tsy azo atao ambanin-javatra mihitsy ny kalitaon’ny biriky. 💯
Raha ratsy ny biriky ampiasaina dia mety hiseho haingana ny olana: rindrina vaky 😔, rano miditra 💧, na trano tsy maharitra.
Fa kosa, rehefa misafidy biriky tsara kalitao ianao 👉 dia trano matanjaka, azo antoka, ary maharitra an- taona maro no vokany. 🔑

💡 Ohatra tsotra:
Trano iray vita amin’ny biriky tsara kalitao dia mitovy amin’ny fiainana manana fototra mafy.
Raha toa ka misy rivotra sy orana 🌀☔ midona aminy, dia mijoro hatrany izy satria mafy ny fotony.
Raha toa ka biriky tsy dia tsara kosa no nampiasaina, dia mora vaky sy simba ilay trano, ka mitaky vola sy fotoana fanamboarana indray. ⏳💸

👉 Noho izany, ny safidy atao amin’ny biriky no mamaritra ny kalitaon’ny fonenanao. Raha maniry trano maharitra sy azo antoka ianao, dia mifidiana biriky tsara kalitao hatrany. 💙

Aza misalasala miantso anay raha mila BIRIKY tsara kalitao ary AMPY ISA tsara.
📞 034 12 111 96

➡️ Zarao amin'ny namana fa mahasoa azy ity astuce Kely ity.
➡️ Manasa anao "hi-abonnée " ny pejy Kams'Trano raha mila torohevitra kely toy izao.

"Kams'Trano - safidy tsara ho an'ny fanorenana"

🧱 🏠

Ny moellon dia tsy vitan’ny hoe vato tsotra fotsiny, fa izy no fototry ny faharetan’ny trano. Amin’ny fanaovana fototra ...
16/08/2025

Ny moellon dia tsy vitan’ny hoe vato tsotra fotsiny, fa izy no fototry ny faharetan’ny trano. Amin’ny fanaovana fototra matanjaka, dia moellon no iray amin’ireo akora azo antoka indrindra ampiasaina. 🏠💪

👉 Fomba iray fampiasana azy : ny FOTOTRA (fondation).
Ny moellon dia tena Ilaina amin'ny fanorenana fototra (fondation) satria izy no manamafy sy manohana ny lanjan’ny trano iray manontolo.
Izy io dia manome hery sy faharetana amin’ny fototra ka mahatonga ny trano tsy hirodana na hihetsika mora rehefa misy orana na fihozongozona kely.

➡️Koa aza misalasala ny miantso anay raha mila moellon ianao.
Moellon azo antoka ary AMPY ISA tsara no tonga any aminao.
📞 034 12 111 96

👉Zarao amin'ny namana fa mety mahasoa azy ireo izany.
👉 Manasa anao "hi-abonnée" ny pejy "Kams'Trano" raha mila astuce toy izao Ianao.

🏗️💪 Caillasse: Zava-dehibe amin’ny fanorenana mafy o***a 🏠🛠️Fantatrao ve fa ny caillasse dia tsy vato tsotra fotsiny?Izy...
14/08/2025

🏗️💪 Caillasse: Zava-dehibe amin’ny fanorenana mafy o***a 🏠🛠️

Fantatrao ve fa ny caillasse dia tsy vato tsotra fotsiny?
Izy io no iray amin’ireo akora fototra ilaina amin’ny fananganana fototra trano, lalantsara, na làlana kely 🚧.

🌟 Antony maha-zava-dehibe ny caillasse:
1️⃣ Mampitombo ny tanjaky ny fototra : Mampihena ny fipotsahan’ny tany ary manampy ny fototra haharitra ela.
2️⃣ Manamora ny fivoahan’ny rano:
Tsy mitangorona ny rano, ka tsy mora simba ny tany.
3️⃣ Mety amin’ny asa maro: Fanamboarana fototra trano, lavaka fosseptique, làlana an-trano, sns.

📌 Ohatra: Raha mano***a trano ianao, dia tsara ny mametraka sosona caillasse eo ambany fototra alohan’ny hamehezana simenitra. Izany dia miantoka fa tsy hihintsana na hihozongozona ny trano rehefa mandeha ny fotoana. ⏳

✨ Raha mila caillasse tsara kalitao sy ampy ho an’ny asanao ianao, dia aza misalasala miantso anay :
📞 034 12 111 96.

➡️Zarao amin'ny namana ilay manamboatra trano ao fa mahasoa azy ity torohevitra ity.
➡️ Manasa anao "hi-abonnée" ny pejy raha mila astuce toy izao isan'andro.

Kams'Trano – Safidy tsara ho an’ny fanorenana 🏡

Fantatrao ve? 🧱Ny biriky tsara dia tsy mora vaky na simba rehefa avy atsofoka anaty rano 24 ora.🚰Ahoana no fomba ahafant...
12/08/2025

Fantatrao ve? 🧱
Ny biriky tsara dia tsy mora vaky na simba rehefa avy atsofoka anaty rano 24 ora.🚰

Ahoana no fomba ahafantarana azy?
➡️ Andramo atsofoka anaty sinyna koveta misy rano ilay biriky.
Raha mijanona ho matanjaka sy tsy malemy izy, dia tsara kalitao.
Raha simba sy mikorontana, dia ratsy ny kalitao.

Tsotra nefa tena manampy anao hisoroka olana rehefa mano***a.

👉Ary ianao, ahoana no hahafantaranao fa tsara ilay biriky?

➡️ Manasa anao hanao :"Partage" ho an'ny namana manao trano ireny fa mahasoa azy ity
➡️ Aza adinoina ny "Mi-abonnée " ny page raha mila astuce momban'ny "matériaux de construction " ianao.

"Kam'sTrano safidy tsara ho an'ny fanorenana."

Faly miarahaba antsika rehetra izahay eto amin'ny Kam'sTrano.Maro no tsy mahay tsara mampiasa caillasse rehefa mano***a,...
05/06/2025

Faly miarahaba antsika rehetra izahay eto amin'ny Kam'sTrano.

Maro no tsy mahay tsara mampiasa caillasse rehefa mano***a, ka dia mora diso ka mitera-doza eo amin’ny fanorenana. 😟

Raha mbola tsy azonao mazava hoe iza avy ny karazana caillasse sy iza no ampiasaina amin'ny inona, dia ity misy torolalana tsotra hanampy anao:

🪨 Caillasse 0/20 mm ➤ ho an’ny fototra (fondation) sy radier
🪨 Caillasse 5/15 mm ➤ ho an’ny béton armé, poteau, dalamby

✅ Manampy amin’ny hery sy fitoniana ny trano
✅ Tsy mikoroso fotsiny toy ny fasika rehefa mitambatra amin’ny simenitra
✅ Ampiasaina manaraka ny fenitra ara-teknika

Maro ny diso fanamboatra satria tsy nahalala an’io! Raha mila caillasse kalitao, lanja marina ary tonga ara-potoana dia antsoy Kam’sTrano!

📲 Mifandraisa aminay raha mila fanampiana amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa!

🔽 Aza misalasala mizara amin’ny namanao mbola misafotofoto amin’izany!
📞 034 12 111 96

👉Aza adinoina ny "Mi- abonnée " ny page izay ahitanao astuce maro momban'ny matériaux de construction.

"Nifanditra be izahay tamin’ny gravillon... dia tonga i Kam’sTrano nanafaka anay 😅🪨"Tena saropady ny fanorenana trano, i...
04/06/2025

"Nifanditra be izahay tamin’ny gravillon... dia tonga i Kam’sTrano nanafaka anay 😅🪨"

Tena saropady ny fanorenana trano, indraindray tafiditra ao ny fitiavana sy ny adin-tsaina 🙈.
Fa rehefa gravillon madio sy tsara kalitao no ilainao, aza mifamaly lava – antsoy fotsiny izahay!

Kam’sTrano no manome anao:
✅ Gravillon madio
✅ Ampy isa
✅ Serivisy matotra sy azo itokisana

👉Ho anareo rehetra amin'ireto faritra ireto: Ambotrimanjaka, Ambohidroa, Andranomena, Antehiroka ( Ambohibao, Andranoro, Morondava, Ambatolampy, Ambohijanahary),Talatamaty, Ivato, Ambohitratrim,....

Tsy misy sangisangy amin'ny fanorenana 🤝

👉Manasa anao hanaraka ny pejy raha Mbola tsy manaraka ianao.

📞 034 12 111 96.

📲 Aza misalasala miantso anay anio raha mila gravillon mahafapo.
Mitsitsy fotoana, mitsitsy ady 😄

🔖

‎🪨 Karazana fasika telo no tena ampiasaina amin’ny fanorenana – fa fantatrao ve ny fahasamihafany?‎‎1️⃣ Fasika Madio = F...
03/06/2025

‎🪨 Karazana fasika telo no tena ampiasaina amin’ny fanorenana – fa fantatrao ve ny fahasamihafany?

‎1️⃣ Fasika Madio = Fasika Majinika.

‎ Toetoetra: tena madinika, malefaka, tsy misy vato, malama sy tsy misy loto
‎Fampiasana: vita-simenitra, fanamboarana simenitra (mortier), fanamboarana rindrina, plâtrage, na ny fananganana biriky. Mety tsara koa amin’ny joints.


‎2️⃣ Fasika Gadra = Fasika Vaventy / Fasika Lehibe

‎Toetoetra: Fasika somary mafy sy misy granulés izany hoe misy vato kely mifangaro, mavesatra kokoa

‎Fampiasana: fanamboarana radier (fondation), béton (concrete), sol béton Satria matohitra matohitra Tsara sy mamela rafitra mafy o***a


‎3️⃣ Fasika Mélangé (Fasika afangaro)

‎Toetoetra: fifangaroan'ny fasika madio sy gadra
‎Fampiasana: ampiasaina àmin'ny remblay sy asa tsy mitaky Fahadiovana bé, manampy amin’ny “polyvalence”, azo ampiasaina amin’ny trano tsotra, sary madinika tsy mitaky précision be.


‎🔁 Famintinana mora tadidy:
‎Fasika Madio : Majinika , madinika be, Simenitra, biriky.
‎Fasika Gadra: Vaventy misy vato kely Beton, fondation.
‎Fasika Mélangé : Afangaro ny fasika madio sy fasika gadra, asa amin'ny ankapobeny


‎❗️Aza afangaro amin’ny classification “taille de grains internationale” (fine / moyenne / grossière) satria hafa mihitsy io. Ny eto an-tsena no manan-kery amin’ny fivarotana.

‎🔧 Teny iray monja: ny fahalalana ny karazana fasika no manavaka ny fanorenana maharitra sy ny asa maika tapany!
‎ Tsy ny hoe “manana fasika ve ianao?” no zava-dehibe fa hoe karazana inona ilay izy?.

‎🚛 Izahay ato amin’ny Kam’strano dia tsy vitan’ny hoe mitondra entana ihany, fa manampy anao koa amin’ny safidy mety indrindra amin’ny filanao. Izahay no miara-miasa amin’ny olona matotra, mihevitra ny trano ho fananana maharitra.

‎👉 Raha mahaliana anao ny fanazavana fohy, mahasoa toy izao dia manasa anay hanaraka ny pejy raha mbola tsy manaraka ianao.
‎ Hifampizara "astuces " sy torohevitra ho fanampiana anao amin’ny asa fanorenana izahay.






🎉 Tongasoa eto amin’ny pejinay ofisialy! 🎉🚚 Kam’sTrano – Safidy tsara ho an’ny fanorenana!Mitondra aminao fasika, gravil...
02/06/2025

🎉 Tongasoa eto amin’ny pejinay ofisialy! 🎉

🚚 Kam’sTrano – Safidy tsara ho an’ny fanorenana!

Mitondra aminao fasika, gravillon, vatoboda, biriky, caillasse sy fitaovana fanorenana hafa izahay.
📍 Manatitra eny amin'ny faritra : Ambotrimanjaka,
Andranomena,
Antehiroka ( Ambohibao, Andranoro, Morondava, Ambatolampy, Ambohijanahary, Ambohidroa),
Ivato,
Talatamaty,
Ambohidratrimo,
sy toerana manodidina.

✅ Matotra sy azo antoka

📞 Aza misalasala manontany raha mila fanazavana fanampiny na misafidy famandrihana!

👇 Manasa anao hanaraka ny pejy "Suivre" fa ho hitanao ato ireo astuce maro momban'ny "matériaux de construction" 🙌



Address

Lot 147 FM Morondava Antehiroka
Antananarivo
105

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kam'strano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share