25/02/2026
Non❌Tsy i Krokmou io fa nisy olona iray nanontany ahy hoe afaka mijery scooter hoazy ve?
Bon nanaiky aho, dia noteneniny ny budget teny aminy😅
Dia iny aho fa nanao kajikajy tao andohako hoe inona ny moto azon'ilay budget. Bon occasion foana moa no fijeriko rehefa otr'ireny.
Rehefa azoko andohako amzay ilay scooter ho jerena dia lasa aho nitety magazin💯
Efatra teo ny scooter nojereko, magazin telo samihafa😅 samy nohenoina ny feony, nojerena ny etat moteur, equipements sns... Ny ivelany tsy important fa coup de peinture fotsiny dia vita🤣
Ito ray moa zany no tonga dia nanintona ahy fa kosa ny etat any tena mbola nanahirana fa rehefa niresaka tao amin'ilay magasin dia nety zareo hanolona pièce maromaro dia natao mise au point tsara.
Noentiko amin'izay izy fa ho alain'ny tompony any amiko fa tena afa-po aho tamin'ny fitondrana azy aho💯✨
Tena tsara le entana♥️
Naseho ny tompony amin'izay dia tena afa-po izy e😁
Tsikitsiky no nitsenain'ny tompoy azy 😁