29/05/2026
✨ ANDAO HAMOKATRA BIO !
🌟 Fomba fambolena karaoty indray ity ho entina aminareo ity, izay nisy nangataka tato amin'ny pejy
🥕 TECHNIQUE FAMBOLENA KARAOTY
📅 Vanim-potoana mety
✅ Mars – Jiona
✅ Septambra – Novambra
Ny karaoty dia tia:
☀️ masoandro
🌤️ toetr’andro mangatsiatsiaka
🌱 tany malemy sy lalina
🌱 Dingana fambolena
1️⃣ Fanomanana tany
Hadina sy potipotehina tsara ny tany
Esorina ny vato sy ahi-dratsy
Asiana compost na zezika biolojika toy ny zezika BSF*
(* vidiny : 3 000 Ar / kg; 70 000 Ar/ sac 25Kg)
2️⃣ Famafazana
Afafy mivantana an-tanety
Halaliny : 1 cm
Elanelana : 20 cm ny andalana
💡 Afangaroy amin’ny fasika ny voa mba hiparitaka tsara.
3️⃣ Fanondrahana
💧 Tondrahana moramora sy tsy tapaka mandra-pitsiry.
⚠️ Aza atao be rano.
4️⃣ Fikarakarana
Esory matetika ny ahi-dratsy
Ahena ireo zavamaniry mifanizina
5️⃣ Fampiasana zezika
✅ Compost
✅ Zezika biolojika BSF (Fatra: 600kg/ Ha ; atao in-2 mandrotsaka)
👍ny karaoty dia tena mila phosphore (P) satria io no manampy:
ny fitomboan’ny faka, ny fahalehibiazan’ny karaoty, ary ny fakany ho mahitsy tsara.
🐛 Fisorohana aretina
Ataovy madio ny tanimboly
Aza atao be rano
Mampiasà insecticide bio raha ilaina
👉toy ny Insecticide SANTATRA . prix: 8 000 Ar/L ( afangaro amin'ny rano 10L)
⏳ Fijinjana
🥕 70 – 100 andro eo aorian’ny famafazana no azo jinjaina.
Rehefa manomboka lehibe ny karaoty dia:
🥕 misy ampahany eo ambony tany manomboka hita sy mibontsina kely eo amin’ny vozony (eo akaikin’ny raviny).
☝️ inona indray no tianao hoentinako eto amin'ny manaraka ?
_ alefaso ao amin'ny commentair
✅ Contact:
🏪 Ampandrana à côté cité Pérrier
☎️ +261 38 97 847 51
📱 WhatsApp 033 05 011 00
📧 [email protected]